Lesona 5 ho an'ny 31 okotbra, 2015. Hafatra ho an'ny mpisorona sy ny mpaminany (Jeremia 23:14-15; 5:26-31) Ny nasetrin'ny mpisorona izany: nikapoka an'i.

Slides:



Advertisements
Similar presentations
Ny LAHY sy ny VAVY TANJONA : - Fandinihina ny tena - Fifankafahantarana - Fahafahana mifanakalo - Handraisana fanapahan-kevitra.
Advertisements

Lesona 1 ho an'ny 3 Janoary "Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely” (Ohabolana 1:1) “Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora,
T4 TEMPOLY na NY TENA. T4 TEMPOLY na NY TENA Voakasika ao anatin’izany ny: FISEHO FITENY HERY MIASA MANGINA FIFANDRAISANA TONTOLO IAINANA.
Fiantraikan’ny savorovoro politika sy ireo zavatra hafa niseho janoary 2010 eo amin’ny fiainana ara-piaraha- monina sy ara-toe-karen’ny tokantrano eto.
Vol. 1 Andro farany Hafatry ny AVY AMIN’I J ESOSY “Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva.
T2 TALENTA. T2 MAHAFANTATRA NY FAHAFAHA- MANAO TENA.
NKB 134 : “ T’RIMA KASIH, YA TUHANKU ” Syair dan Lagu: J. T. Silangit (1986/1988)
“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo.
T 3 TOMBONANDRO. Ro iny T 3 TENA MANOKANA Reseho lahatra ny mambra mba hanao lisitry ny zavatra atao ( emploi du temps ): Isan’ andro Isan- kerinandro.
Click on each of us to hear our sounds.
Ministera misahana ny : FAMBOLENA- FIOMPIANA –JONO 15 oktobra 2014
La chenille qui fait des trous. Ilay fanday noana be. The very hungry caterpillar. Eric Carle.
FFPM Endrika sariaka no Anompoako Anao, Jehovah Ray Fa tapaka ny hevitro : Izaho dia olonao mandrakizay. He ny foko afa-jaly Tena ravo, sady falifaly,
FF 26.
FFPM 642.
FFPM 317.
C h e m i c a l R e a c t i o n s. C h e m i c a l R e a c t i o n A p r o c e s s i n w h i c h o n e s u b s t a n c e i s c h a n g e d i n t o a n.
Lesona 8 ho an'ny 21 Febroary Ny fitovian'ny olombelona rehetra (Ohabolana 20:9, 12) Maharitra (Ohabolana 20:6) Maharitra (Ohabolana 20:6) Miandry.
Lesona 4 ho an'ny 25 Aprily, “Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà.
Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana.
Lesona 7 ho an'ny Febroary Ny torohevitr'i Solomona ho famahana ireo olana ara-pifandraisana: 1.Aoka hanarona fahadisoana(Ohabolana 17:9; 19:11)
NY FIAVIAN'I JESOSY Lesona 1 ho an'ny 4 Aprily 2015.
Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny.
Lesona 5 ho an'ny 2 May, Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika.
Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5.
Leson 6 ho an'ny 9 May, Nandray anjara tamin'ny nahaterahany izy (Maria, Elizabeta sy Ana) Nomen'i Jesosy tombabidy izy (ilay mpitondratena tao.
Lesona 10 ho an'ny 7 Martsa Ity fizarana amin'ny Ohabolana ity dia hanampy antsika hahita izay “ao ambadiky ny saron-tava”. Izany hoe, ny zava-misy.
IZA MOA I JESOSY KRISTY? Lesona 3 ho an'ny 18 Aprily 2015.
A) 80 b) 53 c) 13 d) x 2 = : 10 = 3, x 3 = 309.
Lesona 9 ho an'ny 30 May,, “Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.” (Lioka 4:32) Fahefana milaza ny hevitry.
Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, “ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana.
Lesona 8 ho an'ny 23 May, “Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.” (Lioka 19:10) HITADY Ilay ondry very Ilay farantsakely very.
Lesona 7 ho an'ny 16 May Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona.
Lesona 2 ho an'ny 11 Aprily “Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary.
Lesona 2 ho an'ny 11 Jolay, Ny antson'Andriamanitra dia nidika ho: Fialana amin'ny tanana nahabe sy ny fianakaviana manompo sampy (Josoa 24:2).
Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny.
“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo.
TSY MAINTSY HANDRE VE IZAO TONTOLO REHETRA IZAO ?
“Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony.
NY TANTARAN'I JONA Lesona 4 ho an'ny 25 Jolay, 2015.
Fanadihadiana MOBILE BANKING Marsa Fanolorana teknika  Fanadihadiana ara-kalitao sy arak’antontan’isa.  Nandray anjara : Olona feno taona miisa.
Ny ato am-poko ? ho Anao mandrakizay ‘Lay Fanantenako.
FANADIHADIHANA MIKASIKA IREO KARAZANA TEKNOLOJIA AMPIASAINA EO AMIN’NY SEHATRA ROJO-PIHARIANA VARY ANTSIRABE 15 OKTOBRA 2015.
Lesona 9 ho an'ny 29 Aogositra, “Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy.
FEHEZAN-DALANA MOMBAN’NY FITOMPOAN- DRAHARAHA. Andraikitr’ireo mpitantsoroka amin’ny fitompoan-draharaha MINEAH: 1.Miantoka ny fitompoan-draharaha vonjimaika.
 Tantara: Tantaram-piainana. Iza i Paoly? Fitoetra manokana. Karazana olona toy inona i Paoly?  Fiantsoana: Tanjona. Inona no kinendrin'ny fiantsoana.
Lesona 4 ho an'ny 24 oktobra, Ny hafatr'i Jeremia Ireo lalana roa (Jeremia 17:5-10) Fanitsiana ny ota (Jeremia 17:1-4) Famalian a ilay hafatra Fanafihana.
Lesona 9 ho an’ny 27 Febroary, Ady maro amin’Ilay Fifanandrinana lehiben’ny tsara sy ny ratsy no nitranaga nandritra ny fotoana fahaterahan’ny Fiangonana.
FIHAONAMBE AN-TAMPONY MOMBA NY MIRALENTA SY NY FAMPANDROSOANA 2014 LOHAHEVITRA: ZON’NY VEHIVAVY/HETSIKA 50-50/ADY AMIN’NY HERISETRA/ FIOVAOVAN’NY TOE-TRANDRO.
FAMBOLENA LEGIOMA.
Tsy misy fahatapahany ny internet connection ka mahabe ny fahafahan’ny olona hampiasa sy hiantehitra aminy VOKANY eo amin’ny toe-tsaina?
Dr.farahani MD-Mph Arak health center
در تجزیه و تحلیل شغل باید به 3 سوال اساسی پاسخ دهیم Job analysis تعریف کارشکافی، مطالعه و ثبت جنبه های مشخص و اساسی هر یک از مشاغل عبارتست از مراحلی.
75 Has 7 in the tens place Odd Number Less than 100
- Mampijoro ny zavamaniry
Making Tens.
Making Tens.
12 Has 1 in the tens place Even Number Less than 20
The Name Game Creative Writing Dias.
VoiceandChoice SRHR MEDIA Template
5 - Electrocution Hazards
7 - Struck by Hazards
8 - Personal Protective Equipment (PPE)
10 - Hazardous Communications Part 1
11 - Cranes and Derricks
17 - Concrete and Masonry Construction
23 - Powered Industrial Trucks
26 - Lockout Tagout
35 - Inspections Citations and Penalties
36 - Bloodborne Pathogens
Presentation transcript:

Lesona 5 ho an'ny 31 okotbra, 2015

Hafatra ho an'ny mpisorona sy ny mpaminany (Jeremia 23:14-15; 5:26-31) Ny nasetrin'ny mpisorona izany: nikapoka an'i Jeremia sy namatotra azy tamin'ny boloky hazo (Jeremia 20:1-6) Ny nasetrin'ny vahoaka izany: namono an'i Jeremia (Jeremia 18:18-23)Ny nasetrin'i Jeremia: “Toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako” (Jer. 20:7-13) “Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako!” (Jer. 20:14-18) Hafatra misy fepetra (Jeremia 18:7-11) Amin'ity herinandro ity isika dia hianatra ireo hafatra noraisin'i Jeremia avy tamin'Andriamanitra, sy ny nasetrin'izany:

“Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; koa hanao ahoana re ianareo any amparany?” (Jeremia 5:31) Inona no fahotan'ny mpaminany? (jereo Jeremia 23:14-15) Fijangajangana, lainga ary fihatsaram-belatsihy. Ambonin'ny zavatra rehetra dia “mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy” (Jeremia 23:14) izy; tsy nanameloka ny fahotana izy. Tsy nisy olona nibebaka tamin'ny fahotany noho ny amin'izy ireo. Niparitaka nanenika ny firenena ny faharatsiana. Inona no fahotan'ny vahoaka? (jereo Jeremia 5:26-30) Nihamatavy amin'ny fanaovan-dratsy izy. Maka tombony amin'ny kamboty sy ny malahelo izy. Inona no fahotan'ny mpisorona? (jereo Jeremia 5:31) Tokony ho nampianatra ny lalan'Andriamanitra ny mpisorona. Kanefa dia navelany hitarika azy ireo mpaminany sandoka.

“Dia namely an'i Jeremia mpaminany [Pasora] sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.” (Jeremia 20:2) Nantsoina haminany tao anatin'ny tempoly i Jeremia. Hafatra mahatahotra: hatonga “loza amin'ity tanàna ity” (Jer. 19:3) Andriamanitra. Avelany ho “lavon- tsabatra” ny vahoakany ary ny tenany dia ho fihinan'ny “voro-manidina sy ny bibi- dia” (Jer. 19:7). Ataony ho tonga mpihinan'olona ny Jiosy (Jer. 19:9). Ny ankamaroan'ireo hafatra nentin'ny mpaminany ao amin'ny Baiboly dia tsy noraisina am-pifaliana avokoa. Eto dia Pasora mpisorona no namely ny mpitondra hafatra: nokapohiny mafy izy ary nohidiny tamin'ny boloky hazo. Ny ampitson'iny dia nahazo hafatra manokana i Pasora. Izy sy ny sakaizany dia ho lasan-ko babo ary ho faty any Babylona, satria efa nanda ny hafatr'Andriamanitra (Jeremia 20:6).

“Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.’” (Jeremia 18:18) “Tamin'ny famitahan-tena dia nino ny vahoaka fa ireo mpisorona sy mpaminany mamim-bahoaka dia nanome azy ireo fampianarana ampy momba ny lalàna, koa dia afaka mitoky amin'izany fampianarana izany izy ireo na dia teo aza ny fampitandremana nentin'i Jeremia ny amin'ny olana lehibe ho avy.” (SDA Bible Commentary, Jeremia 18:18). Ny drafitra noheverin'ny vahoaka entina hamelezana an'i Jeremia dia fikasana hamonoana azy ho faty (Jer. 18:23). Nifanohitra tamin'ny an'ny vahoaka ny fitondran-tenan'i Jeremia. Nanalalana tamin'Andriamanitra ho an'ny vahoaka izy, nangataka ny hamelana ny fahotany (Jeremia 14:7). Tsy hiaro azy ve Andriamanitra?

“Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:9) Nitaraina tamin'Andriamanitra i Jeremia ny amin'ireo hafatra feno loza sy fandravana nomena azy, izay nampidi-doza azy. Efa nampitandremana i Jeremia ny amin'izay ho fiatraikan'ny hafatra entiny(Jeremia 1:19). Kanefa dia niampanga an'Andriamanitra ho namitaka azy izy. Nanapa-kevitra ny tsy hitondra hafatra intsony avy amin'Andriamanitra izy. Nefa dia tsy afaka nanohitra ny antson'ny Fanahy Masina izy. Ho amin'ny fiainana na fahafatesana ny hafatra nentiny. Ahoana no hamelany azy ireo ho very nefa tsy homena fampitandremana?

“Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!” (Jeremia 20:14) Mbola natoky an'Andriamanitra i Jeremia. Toa an'i Joba dia tsy namela ireo zava-tsarotra nandrendrika azy izy, fa niankina tamin'Andriamanitra. “apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Peter 5:7) Tena sadaikatra i Jeremia. Nidera an'Andriamanitra izy (Jer. 20:13) ary tampoka teo dia nahatsiaro fahakiviana lalina (Jer. 20:14). Ireo olana sy fahalemen'ireo mahery fon'ny finoana ireo dia mampahery antsika hametraka ny fiahiantsika eo amin'Andriamanitra. Afaka mahita fampaherezana eo Aminy isika na dia tsy mahita vahaolana amin'izay manahirana antsika aza.

Jeremia 18:7-8 “Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako,” “nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany,” “dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.” Jeremia 18:9-10 “Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko,” “nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko,” “dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.” “Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.” (Jeremia 18:11)

“Raha antsoina hiaritra fitsapana isika dia maneho izany fa mahita zava-tsarobidy ao amintsika izay tiany hampitomboina ny Tompo Jesosy. Raha tsy mahita na inona na inona ao amintsika izay ahazoana manome voninahitra ny anarany Izy dia tsy handany fotoana hanamboarana antsika. Tsy ny vato tsy misy vidiny no alefany ao anaty fatana fandrendrehana. Ny volamena sarobidy no dioviny. Ataon'ny mpanefy ao anaty afo ny vy mba hahafantarany na manao ahoana na manao ahoana io vy io. Avelan'ny Tompo ho ao amin'ny fatana fandrendrehan'ny fahoriana ieo olom-boafidiny mba hahalalana izay tena toe-panahiny sy ahitana izay hanamboarana azy hanao ny asany.” E.G.W. (TANA-MASOANDRON'NY FAHASALAMANA, tk. 39, pj. 395)