Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 4 ho an'ny 24 oktobra, 2015. Ny hafatr'i Jeremia Ireo lalana roa (Jeremia 17:5-10) Fanitsiana ny ota (Jeremia 17:1-4) Famalian a ilay hafatra Fanafihana.

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 4 ho an'ny 24 oktobra, 2015. Ny hafatr'i Jeremia Ireo lalana roa (Jeremia 17:5-10) Fanitsiana ny ota (Jeremia 17:1-4) Famalian a ilay hafatra Fanafihana."— Presentation transcript:

1 Lesona 4 ho an'ny 24 oktobra, 2015

2 Ny hafatr'i Jeremia Ireo lalana roa (Jeremia 17:5-10) Fanitsiana ny ota (Jeremia 17:1-4) Famalian a ilay hafatra Fanafihana ilay mpaminany (Jeremia 11:18-23) Ny fitarainan'ilay mpaminany (Jeremia 12:1-5) Valiny avy any ambony Hain-tany (Jeremia 14:1-10)

3 “Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.” (Jeremia 17:5) “Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani- hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an- efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.” ( Jeremia 17:6) “Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.” (Jeremia 17:7) “Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron- drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.” (Jeremia 17:8) “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9) Lalana roa ihany no misy: na matoky an'Andriamanitra aho na tsia. Ahoana no ahafahako mitoky amin'ny olona hafa? Na dia ny tenako aza tsy azoko itokisana, satria mamitaka ahy ny foko.

4 “Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am- pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany.” (Jeremia 17:1)

5 “Rehefa miresaka ny amin'ny fo vaovao i Jesosy, dia ny saina, ny fiainana sy ny tena manontolo no tiany hambara. Ny mandalo fiovam-po dia ny miala amin'ny firaihana amin'izao tontolo izao, ary mametraka an'izany eo amin'i Kristy. Ny manana fo vaovao dia ny manana saina vaovao, fikasana vaovao, fanoitra vaovao. Inona no famatarana ny fo vaovao? Ny fiovam-piainana. Misy ny fahafatesan'ny fitiavan-tena sy ny avonavona isan'andro sy isan'ora.” E.G.W. (Sons and Daughters of God, 3 Aprily)

6 “Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.” (Jeremia 11:19) Nikasa ny hamono an'i Jeremia ireo olona tao Anatota mba hampitsaharana azy tsy haminany, tahaka ireo olona tao Nazareta sy i Jesosy. Nanantena i Jeremia fa ny fianankaviany, ny rahalahiny sy ny mpisorona dia hanohana azy amin'ny fanitsiana ny fahotan'i Joda. Kanefa nasehon'Andriamanitra azy fa ireo izay tena akaiky azy indrindra no maniry ny fahafatesany. Rehefa hitan'i Jeremia izany dia nahatakatra ny fihetsik'ireo izay tsy naniry ny hanitsy ny fahotany izy.

7 “Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?” (Jeremia 12:1) Na dia nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra aza i Jeremia, dia ory izy kanefa ny mpanota dia nambinina. Efa saika maty mihitsy izy ary tsy nisy nihaino intsony. Nanontany an'Andriamanitra ny amin'ny tsy rariny i Jeremia, toa an'i Asafa ao amin'ny Salamo 73. Ahoana no hianarantsika mitoky amin'Andriamanitra na dia eo aza ireo tsy rariny sy faharatsiana manodidina antsika? “Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an- tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana?” (Jeremia 12:5) Namaly an'i Jeremia Andriamanitra. Mety ho henjana ny valiteniny, kanefa dia tena teny fikasana tokoa izany: “Raha matoky Ahy ianao, dia hanome anao hery handresena ireo zava-tsarotra mafy indrindra Aho.”

8 “Avelan'Andriamanitra haahzo fanambianana ny ratsy fanahy ka haneho ny fandrafiany Azy, mba ho hitan'ny reehtra ny fahamarinany sy ny famindrampony amin'ny fandringanana azy ireo tanteraka, reehfa mahafeno ny fatran'ny faharatsiany izy. Mihazakazaka ny andro famaliany, andro izay handraisan'izay reehtra nandika ny lalàny sy nampijaly ny vahoakany ny valiny tokony noraisiny amin'izay nataony; andro izay hamaizana ny halozana sy ny tsy rariny rehetr natao tamin'ny olona mahatoky amin'Andriamanitra ho tahaka ny natao tamin'i Kristy mihitsy.” E.G.W. (Hery Mifanandrina, tk. 2, pj. 48)

9 OLANA “Noho ny fangentan'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron- doha.” (Jeremia 14:4) VAVAKA “Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.” (Jeremia 14:7) VALINY “ Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy. Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho …” (Jeremia 14:11-12) Nahoana Andriamanitra no tsy nanaiky ny fanelanelanana nataon'i Jeremia? Takatr'i Jeremia ny fototry ny olana (ny ota), nefa ny olona dia nitady izay hanafahana azy ireo amin'ny vokany (hain-tany). Tsy nisy fibebahana marina. Tsy naniry ny hiova izy ireo. Tsy afaka mangataka ny famindrampon'Andriamanitra isika, no sady miaina araka izay tiantsika ihany.

10 “ Miraikitra sy mihanaka amin'ny lafiny tsirairay amin'ny fisian'ny olombelona ny fahotana. Nanandrana mafy an'izany i Jeremia rehefa tandindomin-doza ny ainy noho ny hafatra notoriny. Naneho ny tolona ara-panahy nolalovany teo anatrehan'Andriamanitra izy, kanefa nanome fomba fijery vaovao ho azy Andrimanitra: afaka mihazakazaka miaraka amin'ny soavaly ianao !” Imre Tokics (Tari-dalana Fianarana Baiboly, Fandalinana)


Download ppt "Lesona 4 ho an'ny 24 oktobra, 2015. Ny hafatr'i Jeremia Ireo lalana roa (Jeremia 17:5-10) Fanitsiana ny ota (Jeremia 17:1-4) Famalian a ilay hafatra Fanafihana."

Similar presentations


Ads by Google