Download presentation
1
FAMBOLENA LEGIOMA
2
LEGIOMA Famaritana « Légume » : Teny vahiny entina hilazana ireo sokajin – javamaniry ampiasaina hanaovana « potage » na « lasopy ». Sokajin – javamaniry fanao laoka. « Anana » : ilazana ireo zavamaniry fihinan – dravina (matetika ampiasaina hatao laoka). « Laoka »: sakafo matsiro kokoa natao hanampiana ny foto – tsakafo (vary).
3
LEGIOMA Fanasokajiana Legioma maintso (Légumes Verts) :
Legiome maina (Légumes Secs) : Tsaramaso, Voanemba, … Legioma maintso (Légumes Verts) : « Legioma ravina » : Salade, Anana, Petsay, Anamamy « Legioma voa » : Voatabia, Courgette, Haricot Vert « Legioma vodiny »: Karaoty, Navet, …
4
LEGIOMA Fanasokajiana Arakaraky ny « Fianakaviany »
« Solanacée » : Ovy, Anamamy, Poivron, Sakay, … « Crucifère » : Laisoa, Petsay, Chou de chine, Navet, radis « Liliacée »: Tongolo be, Tongolo maintso, Poireau … « Légumineuse » : Haricot vert, Petit pois, … « Cucurbitacée »: Concombre, Courgette, Cornichon, … « Ombellifère »: Karaoty , Fenouil, …
5
TOMBOTSOA Tombotsoa ara – bola Tombotsoa Hafa
Fidiram – bola mahavelona Betsaka ny mpividy (mpanjifa avokoa ny sokajin’olona rehetra) Mampihena ny fandaniana ao an- tokatrano Antoky ny fahasalamana FAMPIHARANA: Fikajiana ny isan’ny legioma maniry eo amin’ny velaran – tany iray, ny vola mety ho azo amin’ny fivarotana azy ireo
6
FEPETRA TAKIANA Fepetra « Ara - barotra » : Fisian’ny tsena hivarotana
Fepetra « Arak’olona » Fahaiza – manao Fitiavana ny asa fambolena Fananana fotoana
7
FEPETRA TAKIANA Fepetra « ara – teknika » :
Tany lonaka na azo lonahana Toerana akaiky rano sy be rano Fananana fitaovana ampy : Fitaovana fikarakarana ny tany , fitaovana famafazana sy famindrana, fitaovana fanolokoloina.
8
FANAJARIANA NY TANY Fananganana ny toeram - pamokarana
Famefena ny toerana amin’ny alalan’ny fefy velona Fametrahana ny toerana fangalana rano (akaiky indrindra araka izay azo atao) Fametrahana tranon – jezika Fametrahana lavaka hametrahana ranon - jezika
9
FANAJARIANA NY TANY Fananganana ny toeram - pamokarana
Fanamboarana sori – boly Habeany : 1,2m ny sakany Lalàna : 30 – 40cm Fitodiny : Mahazo masoandro Endriny: Ambony ny ambany ny lalàna raha oharina amin’ny sori – boly Kajio ny velaran’ny sori – boly anakiray sy ny velaran’ny tany manotolo
10
FANAJARIANA NY TANY Fananganana ny toeram - pamokarana
Fikarakarana ny tany misolampy mba ho fiarovana azy amin’ny riakan – drano
11
FISAFIDIANANA NY VOLY Fepetra ara – barotra
Légume misy mpividy no ho volena Légume ahazoana tombom – barotra Fepetra ara – teknika Ahitana ny akora rehetra ilaina : masomboly, fanafody, … Manaja ny fifandimbiasam – boly sy ny fampivadiam - boly
12
FISAFIDIANANA NY VOLY Fepetra ara – teknika
Ny fifandimbiasam – boly sy ny fampivadiam - boly Ataovy ny fandaharam – potoam – pambolena kasainao hatao eo amin’ny toerana iray mandritra ny taona
13
Fianakaviana Ravina Voa Vodiny Crucifère (Brassicacee)
Petsay, Laisoa, Chou fleur, Tee – sam, chou de chine, Cresson Radis, Navet Cucurbitacée Cocombre, Courgette, Voatavo, Cornichon Solanacée Anamamy, Anamalaho, Sakay, Poivron, Aubergine Ovy Liliacée Tongolo maintso, Poireau, Asperge Tongolo be, Tongolo gasy Ombéllifère Persil, Karaoty Chénopodiacée Bettrave Légumineuse (Fabacee) Haricot vert, Tsaramaso, Voanemba, Tsiasisa, Pois
14
FAMAFAZANA Fotoam – pambolena
Ao anatin’ny taona : Voly fahavaratra, Voly avotra, Verim – boly Ao anatin’ny volana : manaraka ny fihodin’ny volana
15
FAMAFAZANA Fomba famafazana
Famafazana mivantana : légume manana voa vaventy (Légumineuse, Cucurbitacée,...), légume manana voa madinika kanefa fangalana vodiny mijidina (karaoty, …) Famafazana mandalo eny amin’ny tanin – janakanana : légume manana voa madinika, famafazana any amin’ny toerana tena be orana,
16
FAMAFAZANA Famafazana eny amin’ny tanin - janakanana
Velaran’ny tanin – janakanana : 1/10 n’ny velaran’ny tany manotolo Fikarakarana manokana ny tanin – janakanana : malemy, masaka, mora karakaraina, … Fomba famafazana : Fafy katrana, fafy manaraka soritra, famafazana ao amin’ny toerana manokana (pot, godet) Famafazana ao amin’ny toerana manokana (pot, godet): fanamboarana « substrat »
17
Fikajiana ny fatran’ny masomboly ampiasaina
FAMAFAZANA Fatran’ny masomboly Miankina amin’ny karazana légume ho volena Miankina amin’ny toerana famafazana (mivantana na mandalo tanin – janakanana) Miankina amin’ny elanela ampiasaina rehefa mamafy Miankina amin’ny velaran’ny tany hamafazana sy famindrana Fikajiana ny fatran’ny masomboly ampiasaina
18
FAMAFAZANA Ady amin’ny bibikely Fiasana mialoha ny tany
Fametrahana fanafody mamono bibikely eo amin’ny soritra hamafazana Fampiasana masomboly nohatsaraina izay efa nasiana fanafody miaro amin’ny fanafian’ny bibikely ao anaty tany.
19
FAMAFAZANA Toetry ny masomboly Mety maniry (Taham – pitsiriana ambony)
Tsy mifangaro : tsy ahitana afa – tsy masomboly tokana ihany Madio: Karazana tokana ihany no omeny rehefa maniry Tsy ahitana na tsy mitondra aretina
20
FAMAFAZANA Famafazana dia tokony Manify araka izay tratra
Rakofana tany na voran – jezika manify (Avo roa na telo heny amin’ny hatevin’ny voa afafy) Halokalofana mba hiarovana amin’ny hainandro sy ny oram – be
21
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Fiasana ny tany
Antony: hamapemy ny tany ka hahamora ny fidiran’ny rivotra, hamandoana, ny hafanana. Hamonoana ny bibikely ambany tany. Hahafahan’ny faka lasa lalina kokoa. Fotoana: Mandritra ny fotoana maina (lohataona). Tandremo fa tsy azo atao ny miasa tany mandritra ny andro avy orana
22
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Fiasana ny tany
Halaliny: Miankina amin’ny halalin’ny fakan’ireo zavamaniry tiana ho volena. Mita asa lalina kokoa ny légume fangalana vodiny.
23
Firy kapoaka ny « dolomie » 1kg
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Fitondrana fandonahana Dolomie: Hampidinana ny herin’asidra amin’ny tany. 250 – 500kg/ha/taona no fatra fampiasa Firy kapoaka ny « dolomie » 1kg
24
Firy sarety ny fatran’ny zezika haparitaka amin’ny tany 1ara
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Fitondrana fandonahana Zezika organika : Zezika masaka tsara no ampiasaina ka atao maherin’ny 50t/ha no fatra ampiasaina Firy sarety ny fatran’ny zezika haparitaka amin’ny tany 1ara
25
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Famotehana ny bainga
Antony: Natao mba hamadihana ny fandonahana ho any ambany tany (Tsy atao lalina loatra). Hanalana ireo elanelana lehibe izay manakana ny tany sy voa, ary ny tany sy ny faka tsy hifandray.
26
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Fanaovana lavaka na tatatra
Natokana indrindra ho an’ny « Cucurbitacée » sy ireo zavamaniry rehetra hatahorana tsy hahazo rano. Tsy azo atao any amin’ny faritra be orana sy mandritra ny fotoana be orana ity fomba ity.
27
FAMBOLENA Fikarakarana ny tany Fanaovana Vokavoka na dongona
Natokana indrindra ho fiarovana ny voly amin’ny hamandoana diso tafahoatra. Manamora ny fanotofana ireo zavamaniry mitaky izany asa izany
28
FAMBOLENA Famindrana Antony
Hanomezana toerana lehibe kokoa mba hahafahan’ny voly mitombo Hahafahan’ny faka misandrahaka kokoa
29
FAMBOLENA Famindrana Fotoana fanatanterahina
Lehibe manomboka mahavelo – tena ; feno 4 – 5 ravina (1 na 1volana sy tapany aorian’ny famafazana) Ho an’ny « Liliacée » dia azo atao ny famindrana rehefa toy ny « stylo » ny habean’ny taho. Mandritra ny fotoana mangatsiatsiaka
30
FAMBOLENA Famindrana Fanomanana ny zanakanana
Tondrahana ho vonto rano tsara ny tanin – janakanana iray andro mialoha ny famindrana Ongotana tsirairay ny zanakanana Hanapahana ny faka sy ny ravina Afindra eo no ho eo fa raha tsy izany dia mila tehirizina anaty rihitra manokana
31
FAMBOLENA Famindrana Fitandremana Tsy avela hiforitra ny faka
Tsy azo halentika any anaty tany ny taho sy ny ravina
32
FAMBOLENA Fomba fambolena hafa Fampiasana zana – pototra
Ampiasaina amin’ny « tongolo maintso » Fampiasana hasina Ampiasaina amin’ny tongolo gasy
33
FIKARAKARANA Fanondrahana Antony
Tia rano ny legume (mamorona ny tenany) Mandevona ny mineraly ho lasa singam – pandonahana sakafon ’ny zavamaniry
34
FIKARAKARANA Fanondrahana Fatran’ny rano
Tia rano ny legume (mamorona ny tenany) Mandevona ny mineraly ho lasa singam – pandonahana sakafon ’ny zavamaniry Miova arakaraky ny zavamaniry sy ny dingam -pivoarany, karazan – tany, toetr’andro Amin’ny ankapobeeny : 3 – 6mm/andro
35
FIKARAKARANA Fanondrahana Famerenana ny fanondrahana
Mety atao in – droa isan’adro, in – 1/andro, isaky ny 2 andro, Isaky ny herinandro
36
FIKARAKARANA Fanondrahana Fomba fanondrahana
Arakaraky ny velaran’ny tanimboly, fomba fambolena, karazam – boly, habetsahan – drano. Azo atao mampiasa siny fanondrahana, manao tari – drano, fanondrahana mitsitaitaika, …
37
FIKARAKARANA Fihavana Antony Ady amin’ny ahidratsy
Hampihenana ny fahaverezan – drano Hampidirana rivotra sy hafanana ao anaty tany
38
FIKARAKARANA Fihavana Fotoana
Atao matetika indrindra araka izay tratra. Tsy miankina amin’ny fisian’ny ahi – dratsy.
39
FIKARAKARANA Fandratsanana Antony
Ahena ny taho sy ny ravina mba hampitobo ny haben’ny voa Hanesorana ireo faritra misy fahasimbana Hanesorana ny ravina izay mikasika ny tany (voatabia)
40
FIKARAKARANA Fandratsanana Voly azo rantsanana Solanacée : Voatabia, …
Cucurbitacée : Voatavo, …
41
FIKARAKARANA Fihavana Fitaovana Atao amin’ny tanana
Mampiasa fitaovana manokana
42
FIKARAKARANA Fametrahana tohana Antony
Natao mba hialana amin’ny fikasohan’ny taho sy ny ravina ary ny voa amin’ny tany.
43
FIKARAKARANA Famotsiana Foto - kevitra
Tsy avela ho tratry ny taratry ny masoandro ny taovan – javamaniry mba hahatonga azy ho malefaka kokoa (fotsy kokoa).
44
FIKARAKARANA Famotsiana Fanatanterahina Fomba famotsiana voly
FAKA (Vodiny) Fanotofana Ovy, Karaoty, .. TAHO Fanotofana, Fandrakofana Poireau, Céleri, Asperge, … RAVINA Famatorana, Fanaronana, Fampidirana anaty toerana maizina Chou fleur, Endive, Salady, Chicoré, Petsay,
45
FIKARAKARANA Zezika fanarenana
Atao mandritra ny fotoana fitomboan’ny voly. Zezika organika tena masaka tsara na Zezi – bazaha (Urée) no fampiasa.
46
VOKATRA Faharetan’ny voly
Miova arakaraky ny voly : voly maharitra (mihoatra ny heritaona), voly mandalo (latsaky ny heritaona) Ho an’ny voly mandaho dia maharitra 20 andro izay haingana indrina (radis) ka hatramin’ny 150 andro. Ho an’ny voly maharitra kosa dia azo hangalana vokatra indray mandeha isan – taona (mandritra ny roa na telo taona)
47
VOKATRA Fitandremana manokana
Vokatra matoy (tsy tsara anefa ny masaka loatra satria vetivety dia lo) Vokatra tsy misy fahasimbana na misy fanafody tavela Tandremana ny fahadiovan’ny vokatra : mandritra ny fiotazana, mandritra ny fitahirizana, mandritra ny fitanterana,, …
48
VOKATRA Taratasin’ny famokarana Antony:
Mamaritra ny mombamomba ny voly tsirairay (Karazana, …) Hamantarana ireo dingana rehetra nolalovan’ny voly Mitondra fanatsarana eo amin’ny asa atao
49
VOKATRA Taratasin’ny famokarana Fanatanterahina
Soratana avokoa ireo daty rehetra nolalovan’ny fambolena: manomboka any amin’ny fikarakarana ny tany ka hatrany amin’ny fiotazana Soratana ireo olana nihatra tamin’ny famokarana (aretina, bibikely, …) sy ny vahaolana noraisina (Fanafody, fatrany, …)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.