Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byBerengária Alberto Modified over 9 years ago
1
Lesona 1 ho an'ny 3 Janoary 2015
2
"Ny Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely” (Ohabolana 1:1) “Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon- dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala.” (Ohabolana 30:1) “Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.” (Ohabolana 31:1) Ny ankabeazan'ny Ohabolana dia nosoratan'ny mpanjaka Solomona nandritra ny taona voalohany nanjakany. Solomona no olombelona hendry indrindra niaina teto an-tany. (1 Mpanjaka 3:5-14). Nangonona tamin'ny andron'ny fanjakan'i Hezekia ny sasany amin'ireo Ohabolana ireo. (Ohabolana 25:1). Ireo haiteny rehetra ireo, ao anatin'izany ny an'i Agora sy Lemoela, dia samy avy amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina avokoa. Voatahiry izy ireny mba ahazoantsika fianarana.
3
Araka ny Ohabolana 1:2-6, nahoana no ilaina ny fahendrena?
4
Inona no fiandohana na fototry ny fahendrena? “Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana ; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana (Ohabolana 1:7) Ny fatahorana an'Andriamanitra dia midika hoe: Matahotra ny hampalahelo Azy. Manaja Azy sady manoa ny sitrapony. Tia sy mankato Azy. Tia sy mankato Azy. Mahatsapa ny fanatrehany amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana rehetra.
5
“Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn- dreninao ; fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, ary rado amin'ny vozonao..” (Ohabolana 1:8-9) Ny loha sy ny vozona dia maneho ny maha-izy azy ny olona iray. Ny hendry dia mamolavola ny maha-izy azy amin'ny fihainoana ny fananaran'ny ray aman- dreniny. Izany no hahatonga azy ireo tsy hiara-dalana amin'ny adala izay manao tsinontsinonana ny fananarana ka manaraka ny fony. Izany no tian'ny hoe tongotra ambara ao amin'ny andininy faha- 15 sy faha-16. Ny ray aman-dreny no tompon'andraikitra ny amin'ny fanabeazana ny zanany ho amin'ny mandrakizay. Adidy masina izany. Mitondra soa be lavitra ny fotoana laniantsika miaraka amin'ny zanantsika noho ny fotoana laniantsika amin'ny asa aman- draharahantsika. Manan-danja kokoa ny fanabeazana noho ny harena ara-nofo.
6
“Ny asa manezinezina ataon'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe dia ny famolavolana toetra, mikatsaka ny hamerina ny endrik'i Kristy eo amin'ireo izay napetraka ho kolokoloiny. Ny fahazoana fahalalana amam-pahaizana dia manjary tsy misy dikany raha oharina amin'io tanjona lehibe io. Fa ny tena fanabeazana marina dia afaka manampy ho amin'ny fampivelarana toetra marina. Ny famolavolana toetra no asa tanterahina mandritra ny androm-piainana, ary ho an'ny mandrakizay izany.” E.G.W. (Counsels to Parents, Teachers and Students; fizarana 2, toko. 8, pj. 61)
7
“Raha ny rehetra no afaka mahatakatra an'izany,ka hifoha ho amin'ny fanekena fa isika tsirairay no manapan-kevitra ny amin'izay ho anjarantsika sy ny an'ny zanantsika, na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny faharavana mandrakizay. Fiovana manao ahoana re no hitranga! Fahasamihafana manao ahoana no hampiasantsika ny fotoana fitsapana lalovantsika, ary fahambonia-toetra manao ahoana no hameno ny tany!” E.G.W. (Counsels to Parents, Teachers and Students; fizarana 2, toko. 8, pj. 61)
8
“Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?” (Ohabolana 1:22) Ireo izay tsy mihaino ny antsony (Ohabolana 1:28-32) “…hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho ; dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.” “…hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny fihendreny." Ireo izay mihaino ny antsony (Ohabolana 1:33) “…hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy." Rehefa manda ny fahendrena avy any ambony isika, dia tsy hanana afa-tsy ny lainga izay foronintsika na foronin'ny hafa ihany sisa.
9
A.AHOANA NO AHAZOANA FAHENDRENA : 1.Manongilan-tsofina (and. 1-2) 2.Mangataka (and. 3) 3.Mitady (and. 4) B.MANDRAY FAHENDRENA : 1.Andriamanitra no manome fahendrena ho an'izay mitady azy (and. 5-6) 2.Miambina antsika (and. 7-8) 3.Mahafantatra ny rariny isika (and. 9) D.NY SOA AZO AVY AMIN'NY FAHENDRENA : 1.Manome antsika fisainana mazava sy fahalalana (and. 10-11) 2.Mamonjy antsika amin'ny lalan-dratsy (and. 12-15) 3.Mamonjy antsika amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena (and. 16-19) E.NY HO AVINTSIKA : 1.Mandeha amin'ny lalan'ny tsara fanahy (and. 20) 2. Honina amin'ny Tany Vaovao (and. 21) 3. Afaka amin'ny fahafatesana mandrakizay (and. 22)
10
Mitandrina ny lalàn'Andriamanitra izay voasoratra ao am- pontsika (and. 1-2) Tena mivelona amin'ny fitiavana sy ny fahamarinana; amin'ny fomba ivelany (“afehezo eo am-bozonao izany”) sy fomba anatiny (“ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka”) (and. 3-4) Mahatoky an'Andriamanitra ary mijoro vavolombelona ho Azy (and. 5-6) Miankina tanteraka amin'Andriamanitra irery ihany. Mifady ny ratsy (and. 7) “Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan'And riamanitra sy ny olona ianao..” (Ohabolana 3:4) Ny mandray ny fanomezana avy amin'ny fahendrena dia midikahoe :
11
FITAHIANA HO AMIN'NY ANKEHITRINY Fahasalamana ara-nofo. Fananana mitafotafo. Andro lava iainana, harena ary voninahitra. Fiadanana. Hazon'aina: fiainana sy fahasoavana ho an'ny fanahy. Handeha am-piadanana sady tsy hanatahotra. Firaisana ety amin'Andriamanitra. FITAHIANA HO AMIN'NY HO AVY Fonenana mandrakizay. Asandratry ny fahasoavan'Andriaman itra. Handova voninahitra. Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,” satria “Ny hendry handova voninahitra ; fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.” (Ohabolana 3:5, 35)
12
"Ao amin'ny teniny Andriamanitra dia mitanisa ireo fanomezana sy fahasoavana izay tena ilain'ireo izay mifandray amin'ny asany. Tsy mampianatra antsika hanao an-tsirambina ny fianarana na hanao tsinotsinona ny fanabeazana Izy. Fa rehefa fehezin'ny fitiavana sy ny tahotra an'Andriamanitra ny fahalalana ara- tsaina, dia ho tonga fitahiana. Kanefa dia tsy maneho ny toetra lehibe indrindra amin'ny fanompoana an'Andriamanitra izany. Nandalovan'i Jesosy ireo olo-kendry tamin'ny androny, dia ireo nahita fianarana sy ny manana toerana ambony, satria nirehereha fatratra sy nahatoky tena ny amin'ny fahamboniany izy ireny ka tsy mba afaka naneho fangorahana tamin'ny fahorian'ny olombelona sy ho tonga mpiara-miasa amin'Ilay Lehilahy avy any Nazareta … Ireo famaritana ny toetran'i Kristy dia azo isaina ho an'ireo izay tsy miankina amin'ny tenany ihany. Ny fanabezana ara-pahalalana ambony indrindra dia tsy afaka ny hampivelatra ny fanahafana ny toetran'i Kristy. Ny vokatry ny tena fahendrena dia avy amin'i Kristy irery ihany.” E.G.W. (Testimonies to Ministers and Gospel Workers, toko. 10, pj. 259)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.