Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byDomingo Calderón Sandoval Modified over 9 years ago
1
Lesona 8 ho an'ny 21 Febroary 2015
2
Ny fitovian'ny olombelona rehetra (Ohabolana 20:9, 12) Maharitra (Ohabolana 20:6) Maharitra (Ohabolana 20:6) Miandry ny Tompo (Ohabolana 20:17, 20- 22; 21:5-6) Fiantrana (Ohabolana 21:13; 22:16) Ny tena fanabeazana (Ohabolana 22:6, 8, 15) Ireo tenin'ny fahendrena ao amin'ny Ohabolana 20, 21 sy 22:1-16 no mametraka ny fepetra izay tokony hitarika ny fiainantsika isan'andro.
3
Nahoana no tokony mitovy ny fijery antsika rehetra? “Ny sofina mandre sy ny maso mahita dia samy nataon'i Jehovah avokoa.” (Ohabolana 20:12) “Nohariana hitovy avokoa ny olombelona rehetra.” (Thomas Jefferson, Fanambarana ny Fahaleovan-tena ny Amerikana, 4 Jolay 1776). Mety hisy ny fahasamihafana eo amin'ny firazanana, ny habe na ny karazany; saingy mitovy avokoa isika rehetra satria samy noforonin'Andriamanitra (Asa 17:26). Inona koa ny lafiny mampitovy antsika? “Iza no mahazo manao hoe : Efa nahadio ny foko aho ka madio tsy manana ota?” (Ohabolana 20:9) Samy voan'ny aretina homamiadana antsoina hoe ota isika rehetra (Romana 3:23) Mitovy avokoa isika rehetra satria samy mila Mpamonjy hanavotra antsika amin'ny fahotana. Ity no mampisy tsy fitoviana eo amintsika: ireo izay mandray an'i Kristy ho Mpamonjy azy ihany no ho foronina indray ka hiaina mandrakizay (2Kor. 5:17)
4
Rariny raha mahazo dera noho ny asa tsara. Na izany aza, ahoana ny amin'ireo asa hafa ataonao? Tokony ho deraina noho ireny ve ianao? Tsy ny asa fanehoam-pitiavana na fahafoizana iray monja no haneho ny maha-zava-dehibe ny fifandraisantsika, fa ireo asa madinika mitohy sy matetika ataontsika isan'andro, amim- paharetana sy amim-pahatokiana. Tokony hiteny amin'ny hafa ny fahatsarako va aho? Ny mifanohitra amin'izany! “Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.” (Ohabolana 27:2)
5
"Firifiry moa ireo miandry ny fotoana mety hanaovana asa fahafoizan-tena lehibe, sy mitandrina ny amin'ny fitsapana madinika isan'andro izay atolotr'Andriamanitra ho fampisehoana marimarina izay izy tokoa. Ireo zavatra madinika eo amin'ny fiainana no mampivelatra ny fanahin'ny lehilahy sy ny vehivavy ary mamaritra izany toetra izany. Ireny zavatra tsy dia manao ahoana loatra ireny dia tsy azo tsinotsinoavina; sady ho voaomana ny olona haharitra ireo fitsapana mafy, rehefa mizaka azy ireo izy." E.G.W. (This day with God, 15 May)
6
“Mamin'ny olona ny hanina azo tamin'ny fitaka; kanjo avy eo dia fasika no mameno ny vavany.” (Ohabolana 20:17 NIV)
7
“Izay manozona ny rainy na ny reniny, dia ho faty ao amin'ny haizim-pito ny jirony. Ny lova norombahina teo am-boalohany dia tsy hotahina amin'ny ho avy.” (Ohabolana 20:20-21) Eo am-piandrasana ny fahafatesan'ireo ray aman-dreninao manan-karena ve ianao mba handraisanao amin'izay ny lovanao? Ohatra ihany izany. Maniry ny hampisaina antsika ny amin'ny fahadalana izay miezaka hahazo harena amin'ny tsy fanarahan- dalàna sady haingana i Solomona. Tsy afaka ny hitahy azy ireny Andriamanitra. Matokia fotsiny an'Andriamanitra. Omeny antsika amin'ny fotoana mety indrindra ny zavatra rehetra ilaintsika. LOVA “Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; fa miandrasa ny Tompo, fa Izy no hamonjy anao.” (Ohabolana 20:22) Aoka hatoky an'Andriamanitra isika raha toa ka nanaovana ny tsy mety ary mendrika ny homena rariny. Izy no hamaly ho antsika. Lazaina fa miantra isika rehefa matoky an'Andriamanitra. Amin'izay, dia “hanambatra vainafon'ny henatra ho eo an- dohany”isika. (Ohab. 25:22). Mety hitondra famonjena ho an'izany olona izany isika; amin'ny fandresena ny ratsy amin'ny fanaovana soa (Rom. 12:21). VALY FATY
9
“Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin'izany.” (Ohabolana 22:6) Noho ny fahasoavan'i Kristy, amin'ny fomba fifandraisantsika amin'ireny madinika ireny dia afaka volavolaina ny toetran'izy ireo ho amin'ny fiainana mandrakizay (E.G.W., The Adventist Home, fizarana. 12, toko. 52, pj. 305) “Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.” (Ohabolana 22:8) Mila mitandrina ny amin'ny lova avelantsika ho amin'ny taranaka ho avy isika. Izany fieritreretana izany no tokony hitarika ny fiainantsika an- davan'andro. Ampitahain'i Solomona amin'ny famafazana voa ny fanabeazana. Na inona na inona voa afafintsika amin'ny zanantsika, ny namantsika ary ireo manodidina antsika, dia hitombo araka izany na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy.
10
“Ny voa afafy mitondra vokatra io dia afafy indray, ka mampitombo ny vokatra. Eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa, dia hitoetra ho marina io lalàna io. Ny fihetsika rehetra, ny teny rehetra dia voa izay hitondra vokatra. Ny asa avy amin'ny hatsaram-panahy voahevitra tsara avy amin'ny fankatoavana, na avy amin'ny fahafoizan-tena, dia hiteraka voa toa azy ho an'ny hafa ary avy eo hiteraka hafa indray.… Amin'izay hita, fa ny famafazana ny tsara sy ny ratsy dia mandroso ihany araka ny fandehan'ny andro hatramin'ny mandrakizay.” E.G.W. (Christ’s Object Lessons, toko.6, pj. 85)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.