Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byMarina San Segundo Juárez Modified over 9 years ago
1
Lesona 4 ho an'ny 25 Aprily, 2015
2
“Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazandrano izay azony. Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.’” (Lioka 5:8-10) Afaka mahazo an-tsaina ny ahatongavana ho mpianatra isika rehefa mandinika ny tantara mahatalanjon a ny amin'ny nahazoana hazandrano Olona Mankato ny tenin'i Jesosy: “kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.” (Lioka 5:5) Manaiky ny fahamasinan'Andriamanitra: “Tompoko, mialà amiko!” (Lioka 5:8) Manaiky ny maha-mpanota: “Olo-meloka aho.” (Lioka 5:8) Andriama nitra Mitarika, mikarakara ary miaro: “Aza matahotra.” (Lioka 5:10) Manomana ahy ho tonga mpianatra: “hataoko mpanarato olona ianareo.” (Matio 4:19)
3
“Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly.” (Lioka 6:13) Ny hoe Apostoly dia midika ho “ilay iray izay irahina.” Notsongain'i Jesosy ireo Apostoly roa ambin'ny folo ireo mba ho ambasadaoron'ny Fanjakana. Nahona i Jesosy no nifidy ireo roa ambinin'ny folo lahy ireo? Nisy zavatra manokana ve nananan'izy ireo? Tsy fatantsika marina izay tena asan'ny sasany amin'izy ireo talohan'ny nanarahany an'i Jesosy. Ny efatra amin'izy ireo dia mpanarato, ny iray dia mpamory hetra ary ny iray hafa dia mpitolona ara- politika. Tsy manan-javatra manokana izy ireo. Na izany aza, tia ny Fanjakan'Andiramanitra izy ireo. Maniry fatratra ny hiaraka amin'i Jesosy izy ireo. Noho izany, “nofidian'i [Jesosy] izy ireo mba ho olombelona izay azony hofenoina ny Fanahiny, sy ho afaka hanohy ny asany eto an-tany rehefa tsy maintsy hiala eto Izy.” (E.G.W., Education, tk. 9, pj. 84)
4
Araka io andininy eo ambony io, ahoana ny fomba fiasan'ilay tarika lehibe?
5
“Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany … Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.’” (Lioka 10:1,17) Ireo mpianatra 70 ireo dia notendrena hitory ny Filazantsara, noho izany ny fitoriana dia tsy natokana ho an'ny mpitondra fivavahana na loholona ihany. Ny Kristiana tsirairay dia tsy maintsy mandray anjara ao amin'ny iraka avokoa. Inona no nolazain'i Jesosy momba ny vokatry ny iraka nataon'ny fitopolo (Lioka 10:18-20)? Rehefa mahomby ny iraka nanirahana antsika, dia resy i Satana (and. 18). Arakaraky ny halehiben'ny ezaka ny halehiben'ny hery (and. 19). Ny fifaliantsika dia tsy tokony hiorina amin'ny fahombiazana fa amin'ny fidirana any amin'ny Fanjakan'ny Lanitra (and. 20).
6
E.G.W. (Vavolombelona Mahery, tk. 58, pj. 532)
7
“Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.’” (Lioka 9:23) Azo fintinina amin'ny teny telo ny sandan'ny maha-mpianatra: Fandavana, fitondrana ary fanarahana. Fandavana ny tenako. Fandavana ny tenako. Tsy ilay “izaho” taloha intsony aho. Maty iny “izaho” iny ary olom-baovao ao amin'i Kristy aho. Fitondrana ny hazo fijaliako. Fitondrana ny hazo fijaliako. Tsy maintsy manaiky ny andraikitro vaovao amin'ny maha- mpianatra ahy aho. Mety handoa sarany lafo aza aho amin'ny fanekena izany. Fanarahana an' i Jesosy. Fanarahana an' i Jesosy. Jesosy irery ihany no tsy maintsy hany tokana mpitarika ny fiainako. Raha tsy ny lalàn'ny Kalvary no arahina, dia tsy tanteraka ny fomba hahatongavana ho Kristiana mpianatra mpanara-dia an'i Kristy.
8
“Ireo izay maniry ho mpandresy dia tokony hibanjina sy hanombana ny sandan'ny fanavotana. Ireo filan'ny nofo amin'ny maha- olombelona dia tsy maintsy fehezina; ny mahaleo-tena tsy maintsy entina ho babon'i Kristy. Tokony hahatsapa ny Kristiana fa tsy tompon'ny tenany izy. Hisy fakam-panahy ho toerina, sy ady atao amin'ny fironan'ny tenany; satria ny Tompo dia tsy manaiky fanompoana tapatapany. Fahavetavetana eo anatrehany ny fihatsarambelatsihy. Tsy maintsy mandeha am- pinoana ny mpanaraka an'i Kristy, toy ny mahita Azy izay tsy hita maso. Kristy no ho raki- tsarobidy indrindra ho azy, sy ny zavatra rehetra ho azy.” E.G.W. (God’s Amazing Grace, 20 Septambra 20)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.