Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byVicenta Cárdenas Palma Modified over 9 years ago
1
Lesona 11 ho an'ny 14 Martsa 2015
2
1.MIAINA AMIM-PINOANA: 1.Mitandrina ny lalàna. Ohabolana 28:4, 7, 9. 2.Mahalala ny zavatra rehetra. Ohabolana 28:5. 2.OHATRA HO AMIN'NY FIAINANA AN-DAVANANDRO: 1.Raha manan-karena ianao: Ohabolana 28:8, 19, 20, 22, 24, 27. 2.Raha mahantra ianao: Ohabolana 28:3, 6; 29:13. 3.Raha mampianatra ianao: Ohabolana 29:15. Tokony hiaina amin'ny finoana ny Kristiana. Tsy maintsy manao izay asain'Andriamanitra atao isika. Tsy maintsy matoky Azy isika, satria Izy no mitondra ny vokatra rehefa manao izay sitrapony isika.
3
“Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra hanohitra azy.” (Ohabolana 28:4) “Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.” (Ohabolana 28:7) “Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9)
4
“Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.” (Ohabolana 28:5) Ohabolana 28:4 Ireo izay mahafoy ny lalànaMandoka ny ratsy fanahyFa izay mitandrina ny lalàna kosaMirehitra hanohitra azy Ohabolana 28:5 Ny ratsy fanahyTsy mahalala izay marinaFa izay mitady ny TompoMahalala ny zavatra ny rehetra 1 2 3 4 Ireo izay tsy manaraka ny lalàna dia tsy afaka ny hanavaka ny tsara sy ny ratsy (teboka 1 sy 2). Mandoka ireo izay tsy tokony hodokafana izy ireo ary tsy afaka hahalala ny tena rariny. Ny lalàna no “mpitaiza” antsika (teboka 3). Mitarika antsika ho amin'Andriamanitra izy (Galatiana 3:24). Andriamanitra izany (teboka 4) no hanome rariny antsika mba ho afaka hanohitra ny ratsy isika sy hahalala ny "zavatra rehetra".
5
“Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony dia manangona ho an'izay miantra ny mahantra.” (Ohabolana 28:8) An'ny Raintsika ny harena rehetra eto amin'izao tontolo izao. Ny fiainana amin'ny finoana dia mitarika fanarahana ireo fitsipika omeny antsika ny amin'ny fahazoana harena sy ny fampiasana izany araka ny tokony ho izy.
6
“Ny mahantra izay mandeha amin'ny fahitsiany dia tsara noho ny manankarena nefa mandeha amin'ny lalana miolikolika.” (Ohabolana 28:6) Mora kokoa sa sarotra kokoa ny fiainana amin'ny finoana raha mahantra ianao? Tsy manome rariny na oviana na oviana amin'ny fahotana ny fahantrana. Mitovy ny andraikitry ny mahantra sy ny manankarena (Ohabolana 28:3) Ny teo-panahin'ny olona iray dia tsy azo refesina amin'ny hareny. Ny mahantra mandeha amin'ny fahitsiana dia tsara kokoa noho ny manankarena ratsy fanahy (Ohabolana 28:6) Manome fiainana sy miahy na ny manankarena na ny mahantra Andriamanitra. Tsy maintsy mifanaja sy mifankatia isika rehetra. Mitovy isika, na manankarena na mahantra (Ohabolana 29:13)
7
“Misy ireo milaza azy ho mino ny fahamarinana no tsy ampy fahaizana mandanjalanja tsara sady manao ambanin-javatra ny fankasitrahana ny tombambidin'ny fitondran-tena … Mety hanana vola sy fananana izy ireny, ka izany dia ampy hanome azy hery miasa mangina amin'ny sasany; kanefa tsy hampitombo na iota iray aza amin'ny fankasitrahan'Andriamanitra izany. Manana fahefana sy hery famoretana ny vola. Ny fahambonian-toetra sy fahamendrehan'ny fitondran-tena dia tsinotsinoavina raha olona mahantra no manana azy. Nefa ho inon'Andriamanitra moa ny vola sy ny fananana? Ireo biby fiandry eny amin'ny havoana an'arivony dia Azy. Izao tontolo izao sy izay eo aminy dia Azy. Toy ny valala ny mponina eto an-tany eo anatrehany. Ny olombelona sy ny fanana dia tsy inona fa vovoka kely eo amin'ny fandanjana. Tsy misy olona tokony hanolorany haja.” E.G.W. (Testimonies for the Church, boky. 1, toko. 94, pj. 536)
8
Rehefa manomboka mitolefika ny hazo iray, dia tsy maintsy harenina izy. "Nanarina" izany hazo izany amin'ny famatorana azy amin'ny kakazo iray. Izany asa fanitsiana izany dia tsy natao hanimbana ilay hazo, fa kosa hanatsarana azy. Raha tsy miteny hoe "Tsia" mihintsy amin'ny zanaka isika eo amin'ny fitomboany, dia hamotika ny fiainany isika. Hitondra henatra ho an'ny manodidina azy izy. Toy ny hazo ny olona. Ireo zavatra ratsy amin'ny toetratsika dia tsy maintsy "anarina", mba ho voaova ny fitondran-tena ratsy ataontsika.
9
E.G.W. (Counsels to Parents, Teachers and Students; toko. 13; pj. 116)
10
“Ireo Ely amin'izao vanin'andro izao, izay hita eny rehetra eny mangataka fialan-tsiny noho ny haitraitran'ireo zanany, dia tokony ho maika hanamafy orina ny fahefana nomen'Andriamanitra azy ireo hifehezana sy hanafaizana azy. Aoka ny ray aman-dreny sy ny mpiantoka, izay manao tsinotsinona sy manala tsiny ny otan'ireo izay eo ambanin'ny fiahian'izy ireo, hahatsiaro fa tonga fitaovana ho amin'ny ratsy izy ireo. Raha nampiasaina matetika ny tsorakazo famaizana, tsy amim-pahavinirana fa amin'ny fitiavana sy am- bavaka, fa tsy ny morainy tsy misy fetra; dia hahita ankohonana sambatra kokoa sy fiaraha-monina tsaratsara kokoa isika.” E.G.W. (Child Guidance, toko. 47, pj. 276)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.