Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byTomás Ayala Martínez Modified over 9 years ago
1
Lesona 10 ho an'ny 7 Martsa 2015
2
Ity fizarana amin'ny Ohabolana ity dia hanampy antsika hahita izay “ao ambadiky ny saron-tava”. Izany hoe, ny zava-misy marina ambadiky ny fisehoana ivelany, izay tsy hitan'ny masotsika. Ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. Ohabolana 25:2-3. Ny adala toa hendry. Ohabolana 26:11-12. Ilay malaina manao ny tenany ho hendry. Ohabolana 26:13-16. Ny fahavalo toy ny sakaiza. Ohabolana 26:18-25. Ny sakaiza toy ny fahavalo. Ohabolana 27:5-6, 17.
3
“Voninahitr’ Andriamanitra ny manafin-javatra; fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra. Ny hahavon’ ny lanitra sy ny halalin’ ny tany, ary ny fon’ ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.” (Ohabolana 25:2-3)
4
“Misy zava-miafina lalina ao amin'ny tenin'Andriamanitra, izay na oviana na oviana dia tsy ho takatry ny saina izay tsy mahazo ny fanampian'ny Fanahin'Andriamanitra. Misy zava-miafina sarotra tadiavina koa ao amin'ny drafi-panavotana, izay tsy ho azon'ny saina voafetra na oviana na oviana. Ny tanora tsy ampy fanandramana dia tsara kokoa raha mandraikitra ny sainy sy manao fanazarana ny fahaiza-manaony hahazoana fahalalana ireo zavatra ambara … Rehefa mikolokolo ny fahazavana izay efa ananany izy ireo, ary mampiasa izany, dia afaka ny hanao dingana mandroso … Tsy misy na iza na iza no tanora loatra, na antitra loatra, ka hianatra ao amin'io sekoly io amin'ny fitandremana amim- paharisihana ireo lesona nampianarin'Ilay Mpampianatra avy any ambony.” E.G.W. (Testimonies for the Church, bk. 4, tk. 39, p. 444)
5
“Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany. Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.” (Ohabolana 26:11-12) Matetika isika no mamerina foana ireo fahadisoantsika noho ny fahalementsika. Na izany aza, io andininy io dia milaza ireo izay mahafantatra ny mety atao nefa manao ny tsy mety. Jamba ara-panahy izy ireny. Ny fomba tokana ialana amin'ny fiverenana amin'ny "loatsika" dia ny fianarana ny Teny. Amin'izay dia ny Fanahy Masina no maneho amintsika rehefa manao ny tsy mety na manao ny mety isika. Tsy maintsy mamela ny avonavontsika isika mba ho afaka mianatra. Tsy tokony ho hendry "araka ny fijerintsika" isika. Ireo izay mihevitra ny tenany ho hendry dia tsy hianatra na oviana na oviana. Tsy ho adala intsony ny adala rehefa manaiky ny hianatra izy. Nahoana ny adala no miverina amin'ny fahadalany? Nahoana isika no mamerina foana ireo fahadisoantsika ?
6
“Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, misy liona atsy an-dalambe. Toy ny varavarana mihodina amin’ ny saviliny, dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany, ny malaina mangarona ny eo an-doviany, nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy. Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.” (Ohabolana 26:13-16) Andeha hiverenana ireo toetra mamaritra ny malaina: Tsy manao na inona na inona izy satria mety hisy liona atsy an-dalambe. KANOSA Toy ny varavarana izy, izay mihetsika nefa tsy mandeha mankaiza. Mihetsika eo am- pandriany izy nefa tsy mitsangana hiasa. MARISARISA Tsy mba marisika izy, eny fa na dia ho an'ny filàn'ny tenany ihany aza. KISININA Faly amin'ny heviny manokana izy. Malaina loatra izy ny hikaroka na hianatra zavatra. MIHAMBO
7
“ Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana, dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko!’” (Ohabolana 26:18-19) "Indraindray ny "namana" iray mety hamitaka anao kanefa amin'ny farany dia ambaranao azy ny fikasany. Noho izany dia miala tsiny aminao izy ka milaza hoe "Sangisangy fotsiny izany!" “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana. Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.” (Ohabolana 26:20-21) Raha misy "namanao" miresaka zavatra ratsy momba ny namany, dia mety hiresaka zavatra ratsy momba anao koa izy. “Tavim-bilany misy ankosotra taim- bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy. Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony sady manafim- pitaka ao am-pony; koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; fa fahavetavetana fito no ao am-pony.” (Ohabolana 26:23-25) Misy "namana" izay manao teny tsara aminao, kanefa ny tena marina dia mankahala anao ao am-pony izy. Ireny dia fahavalo misaro-tava
8
“Aleo anatra imaso toy izay fitia afenina. Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.” (Ohabolana 27:5-6) “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17) Inona ireo "fery ataon'ny sakaiza"? Mety hananatra anao am-pitiavana ny namana iray amin'ny fanehoana ireo fahadisoanao. Mety ho toy ny fahavalo miresaka no fahenoanao azy ka mahatsiaro maharary ianao. Kanefa mahasoa ireo ratra ireo, "mahatoky" - avy amin'ny teny hebreo hoe “Amen”, ho tanteraka anie izany — sady afaka mamonjy fanahy. Vao mainka mafy orina ny fisakaizana rehefa sitrana ilay fery. Ny vy amn'ny tsofa na maritoa dia afaka mandranitra lelam-by iray. Mafy orina ny fisakaizana amin'ny fifanampiana sy fifampahaherezan'ny tsirairay.
9
“Hamafa ny tsy fitoviana misy eo amin'ny marina sy ny diso ny fifanarahana amin'ny mpanao fahadisoana raha tokony haneho aminy am-pahatokiana ireo fahadisoany. Ny fizorana toy izany dia tsy mba avy amin'ny fisakaizana marina tokoa.” E.G.W. (Lift Him Up, 26 Oktobra)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.