Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byArturo López Duarte Modified over 9 years ago
1
Lesson 5 ho an'ny 31 Janoary, 2015
2
“ Ny harena azo tamin'ny tsy marina dia tsy mahasoa akory; fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.” (Ohabolana 10:2) Manazava ny fahasamihafana eo amin'ny fiainan'ny olo- marina sy ny fiainan'ny ratsy fanahy; ny hendry sy ny adala ity fizarana amin'ny Ohabolana ity. Ohatra, jereo and.2:
3
“ Ireo izay mandeha amin'ny lalan-tery dia miresaka ny amin'ny fahasambarana izay ho azon'izy ireo amin'ny fiafaran'ny diany... Tsy manao fitafiana toy ny an'ireo izay mandeha amin'ny lalana migodana izy, na miteny toa azy, na manao asa toa azy. Nisy modely nomena azy ireo. Ilay Lehilahy ory sady zatra fijaliana no nanokatra ny lalana ho azy ireo sady efa nandia izany koa. Mahita ny dia-tongony ireo mpanara-dia Azy, sady mahazo fampiononana sy fampaherezana. Nandeha tsy ami-tahotra Izy, toy izany koa izy ireo raha manaraka ny diany. Eny amin'ny lalana malalaka, dia seriny amin'ny tenany, ny fitafiany, ary ny fahafinaretany eny an-dalana izy rehetra. Manolo-tena ho amin'ny fihomezana sy ny korana izy, ka tsy misaina ny amin'ny fiafaran'ny diany, ny amin'ny fandringanana azo antoka amin'ny faran'ny lalana. Ny andro tsirairay dia manakaiky azy ireo amin'ny faharinganany, nefa dia mbola mirimorimo hatrany hatrany toy ny adala izy … Ireo izay manaiky ny hanana fandavan-tena amin'ny zavatra rehetra ho an'ny fiainana mandrakizay no hahazo izany. Mendrika ny hitondrana fahoriana, fanomboana ny tena, ary fandaozana ireo sampy rehetra izany.” E.G.W. (That I may know Him, 24 Oktobra)
4
Manao ahoana ny teny ataon'ny olo-marina sy ny adala? Loharanon'ainany teniny (and. 11) Loharanon'aina ny teniny (and. 11) Manarona ny ota rehetra amin'ny fitiavana (and. 12) Fahendrena no hita eo amin'ny molony (and. 13) Loza no mandrakotra ny vavany (and. 11) Manetsika ady izy (and. 12) Ny vavany dia eo akaikin'ny fandringanana and. 14) NABALA ABIGAILA Tenim-pahendrena, anatra ary fampaherezana no mivoaka amin'ny vavan'ny olo-marina. Toy ny fikorianan'ny loharano velona izy ireo ho an'ireo izay mihaino sy manaiky azy. Mitondra fiainana vaovao sy fitahiana. Mizara ny Tenin'Andriamanitra ny olo- marina, satria Andriamanitra no tena loharanon'ny rano velona. (Salamo. 36: 9; Jer. 2: 13; Jaona 4: 14; 7: 38).
6
“Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.” (Ohabolana 12:22) Ny teny sy ny asa misy lainga dia mampidi-doza ilay fitahina ary manisy ratsy ilay mpamitaka. Fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra izany. Rehefa miharihary ny fahamarinana dia manjary fahavetavetana koa amin'ny olombelona ny lainga. Rava ny fahatokiana ny mpandainga. Hatr'izao dia mampisalasala ny teniny sy ny asany. Fa, ireo izay tsy miteny sy tsy manao asa mendrika dia mihevitra fa ny hafa koa dia manana fomba mamitaka. Miambina mandrakariva izy ireny sady matahotra sao dia ho voafitaka. Tsy mety mahita fiadanana izy.
7
“Ny zavatra rehetra ataon'ny Kristiana dia tokony ho mangarahara toy ny tara-pahazavana. Andriamanitra no fahamarinana. Ny fitaka amin'ny endriny maro samihafa dia avy amin'i Satana... Tsy zavatra maivana na mora foana ny miteny ny fahamarinana. Tsy afaka ny hiteny ny marina isika raha tsy mahafantatra ny marina. Ary impiry moa ny hevitra mibahana mialoha, ny tsy fahafenoan'ny fahalalana, ny fahadisoam- piheverana, no manakana ny fahazoana tsara ny toe-javatra izay tokony ho tanterahina! Tsy afaka ny hiresaka ny fahamarinana isika raha tsy Izy izay fahamarinana no mitarika antsika tsy akiato.” E.G.W. (Reflecting Christ, 26 Febroary )
8
NY OLO-MARINA Ihinana zava-tsoa izy.” (and. 2) “Ny fahazavany dia tsara firehitra.” (and. 9) “Hahazo valim-pitia izy.” (and. 13) Homem-boninahitra.” (and. 18) "Ho valian-tsoa.” (and. 21)"Mihinana ka voky tsara.” (and. 25) NY RATSY FANAHY "Ho ringana.” (and. 3)“Ny jirony ho faty.” (and. 9)"Mahavery ny tenany.” (and. 13) “Fahantrana sy henatra no ho azy.” (and. 18) “Enjehin'ny loza.” (and. 21) “Noana ny kibony.” (and. 25)
9
E.G.W. (The Great Controversy, tk. 43, pj. 674)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.