Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona.

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona."— Presentation transcript:

1 Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015

2

3

4 Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona (tanteraka). Rainay Masina ary tena misy Andriamanitra. Ambony lavitra antsika Izy, kanefa dia tena azo antonina amin'ny alalan'ny vavaka. Izay any an-danitra Manamasina ny anaran'Andriamanitra isika rehefa maneho taratra ny toetrany eo amin'ny fiainantsika. Ho hamasinina anie ny anaranao Na ny fanjakan'i Jesosy ety an-tany amin'ny alalan'ny Fiangonany, na ny fanjakam- boninahiny izay maharitra mandrakizay izay ho tonga amin'ny Fiaviany fanindroany. Ho tonga anie ny fanjakanao

5 Ny sitrapon'Andriamanitra dia ankatoavina any an-danitra. Tompon'andraikitra amin'ny ampahany amin'ny fampankatoavana ny sitrapony ety an-tany koa isika. Hatao anie ny sitraponao, ety an- tany tahaka ny any an-danitra Manaiky isika fa Andriamanitra no loharanon'ny zava-drehetra ho antsika. Izy no manome izay ilaintsika rehetra. Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay Tsy misy famonjena raha tsy misy famelan-keloka. Tsy maintsy mamela heloka isika satria voavela heloka. Ary mamelà ny helokay, fa izahay koa dia mamela izay rehetra meloka aminay Andriamanitra irery ihany no afaka manafaka antsika amin'ny ratsy. Izy no manome antsika hery handresena ny fakam-panahy. Ary aza mitondra anay amin'ny fakam- panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy

6 A A “Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga aty amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.” (Lioka 11:5-8) Ny fikirizana amin'ny vavaka dia tsy manova ny fikasan'Andriamanitra fa mampitombo ny finoantsika. “Mivavaha ka aza mitsahatra.” (1Tes. 5:17)

7 B B “Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? Ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy!” (Lioka 11:11-13) Ity fanoharana ity dia maneho ny fanirian'Andriamanitra hanome antsika ny zavatra rehetra izay mahasoa antsika. Tokana ny fepetra: mangataha Aminy. Ity fanoharana ity dia maneho ny fanirian'Andriamanitra hanome antsika ny zavatra rehetra izay mahasoa antsika. Tokana ny fepetra: mangataha Aminy.

8 D D Ny fanetre-tena, ny fibebahana ary ny fo torotoro no tena fototra rehefa manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana isika mba ahazahoana famindram-po sy fanampiana amin'ny fotoana ilana izany (Hebreo 4:16).

9 “Tokony hivavaka ianao. Tsy ho nandidy an'izany taminao i Jesosy raha tsy noho ny tena filana izany indrindra. Tena fantany tokoa fa amin'ny tenanao irery dia tsy afaka ny handresy ireo fakam-panahy marobe ataon'ny fahavalo ianao, sy ireo fandrika maro eo amin'ny tongotrao. Tsy navelany ho irery ianao amin'izany; fa nomeny lalàna izay ahafahanao mandray fanampiana. Noho izany dia mibaiko anao Izy mba hivavaka.” E.G.W. (Lift Him Up, 20 Desambra)


Download ppt "Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona."

Similar presentations


Ads by Google