Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byJuan Manuel Plaza Murillo Modified over 9 years ago
1
Lesona 2 ho an'ny 11 Aprily 2015
2
“Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.” (Lioka 3:1-2) Mahita toe-javatra enina ara-tantara ao amin'ny boky ny Lioka isika, izay hanampy antsika hahafantatra ny fotoana nanombohan'i Jaona sy Jesosy ny asa fanompoany. 1.Ny taona faha-15 nanjakan'i Tiberia Kaisara. Voatendry ho Emperora Romana izy tamin'ny 18 septambra 14. Nanomboka amin'ny fararano no nanisan'ny Jiosy ny taom-panjakana. Noho izany, dia nanomboka tamin'ny fararano 14 ny taona voalohany nanjakan'i Tiberia. Ny taona faha-15 dia nanomboka manodidina ny fararano 27. 2.Governora ny Jodia: Pontio Pilato. Teo anelanelan'ny 26 sy 36 TrK. 3.Mpanapaka an'i Galilia: Heroda. Nanomboka ny 4 TlK - 39 TrK. 4.Mpanapaka an'i Itoria: Filipo. Nanomboka ny 4 TlK - 34 TrK. 5.Mpanapaka an'i Abilena: Lysania. Araka ireo soratra hita tamin'ny tempoly abileniana iray dia nanjaka tamin'ny 14 - 29 TrK izy. 6.Mpisoronabe: Anasy sy Kaiafa. Kaiafa dia Mpisoronabe tamin'ny 18 - 36 TrK. Anasy dia efa nesorina tamin'ny andraikiny saingy ny vahoaka dia mbola nandray azy ho toy ny Mpisoronabe ihany.
3
“Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.” (Lioka 3:3) Ny batisan'i Jaona izay asitrika dia mandalo dingana roa: 1.Midina ao anaty rano. Fanehoana am-pahibemaso ny fibebahana. 2.Miakatra avy ao anaty rano. Nateraka indray. Fiovana ao anaty izay miseho amin'ny fanaovana ny rariny (Lioka 3:10-14) Rehefa avy niakatra avy ao anaty rano izy ireo, dia nanatra azy ireo izy mba “hamoa voa mendrika ny fibebahana.” Nilaza izy fa hisy batisa lehibe mbola ho avy: “fa avy Izay mahery noho izaho … Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo.” Ahoana ny amin'io batisa io?
4
“Voalohany izao Jesosy zaza no nijery ny tempoly … Nobanjininy ilay biby natao fanatitra nivoa-dra teo ambonin'ny alitara … Nihanazava taminy isan'andro ny dikany … Niharihary teo amin'ny Mpamonjy ny zava- miafin'ny asa nanirahana Azy.” E.G.W. (The Desire of Ages, tk. 8, pj. 57) “Voalohany izao Jesosy zaza no nijery ny tempoly … Nobanjininy ilay biby natao fanatitra nivoa-dra teo ambonin'ny alitara … Nihanazava taminy isan'andro ny dikany … Niharihary teo amin'ny Mpamonjy ny zava- miafin'ny asa nanirahana Azy.” E.G.W. (The Desire of Ages, tk. 8, pj. 57)
5
20 taona taty aoriana, nandeha teny amin'ny ony Jordana i Jesosy mba hataon'i Jaona batisa. Tsy nanana ota Jesosy, nefa tonga ohatra ho antsika Izy. Nisy fanambarana telo manetriketrika tamin'io fotoana io: 20 taona taty aoriana, nandeha teny amin'ny ony Jordana i Jesosy mba hataon'i Jaona batisa. Tsy nanana ota Jesosy, nefa tonga ohatra ho antsika Izy. Nisy fanambarana telo manetriketrika tamin'io fotoana io: Izy no Ilay “Zanak'Ondr in'Andriama nitra”, Mpamonjy an'izao tontolo izao (Jaona 1:29). Izy no Ilay Kristy, voahosotrin' ny Fanahy Masina (Lioka 3:22). Izy no Zanak'Andri amanitra Izay fifalian'ny Ray (Lioka 3:22).
7
“Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. Dia hoy ny devoly taminy : Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.’” (Lioka 4:5-7) Nampiasa ny Teny i Jesosy hanoherana indray ny fakam- panahy. Tsy tokony hiantehitra amin'ny fahendrena na hery ananantsika isika mba handresena ny fakam-panahy. Tsy maintsy matoky ny Tenin'Andriamanitra izay maharitra mandrakizay toa an'i Jesosy isika. Andeha hanaraka ny ohatra navelan'i Jesosy. Andriamanitra no tokony ho ivo sy zava-drehetra n'ny fanompoana ataontsika. Naniry ny mba hiankohofana i Satana hatramin'ny fiandohan'ny fikomiany (Isaia 14:13-14). Vonona ny hahafoy ny “maha-mpajaka” azy eto amin'izao tontolo izao izy raha milefitra eo ambaniny ny Tompo. Kanefa tsy voafitaky ny fisehoana ivelany ho mahalala tanana i Jesosy. Nahatoky tamin'Andriamanitra i Jesosy. Izy irery ihany no tsy maintsy iankohofana.
8
“Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.” (Lioka 4:13) Tamin'ny fakam-panahy farany ao amin'ny Lioka 4 no nitsidika fanindroany an'i Jerosalema i Jesosy, teo amin'ny fiainany. Nalain'ny devoly fanahy indray i Jesosy tamin'izay. Tamin'io fotoana io dia nampiasa Tenin'Andriamanitra izy. Nangataka ny hanaporofoan'i Jesosy ny tena maha- zanak'Andriamanitra Azy tokoa izy (Lioka 4:9-12). Raha nanatanteraka izany i Jesosy, dia ho nanaiky fa misalasala amin'ny maha- Andriamanitra Azy Izy sy amin'ny asa nanirahana Azy. Nefa tsy mba niroaroa saina i Jesosy. Natoky ny Rainy Izy, ary tsy nanana filàna hanaporofo ny maha- Zanak'Andriamanitra Azy tamin'iny fotoana iny. Nandresy ny “fakam-panahy rehetra” Jesosy.
9
Andeha hiverenana ireo fampianarana fototra efatra avy amin'ireo fakam-panahy ireo: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13)
10
“Isika tsirairay avy dia halaim-panahy tokoa; ho sedraina hatramin'ny farany ny finoantsika. Tsy maintsy manana fifandraisana velona amin'Andriamanitra isika; tsy maintsy mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra isika; amin'izay dia tsy ho voafitak'ireo fomba fiasan'ny fahavalo isika, ary ho afaka amin'ny fahalovana eto amin'izao tontolo izao noho ny filàna. Mila miorina amin'i Kristy toy ny vatofantsika isika, mamaka sy mamahatra amin'ny finoana.” E.G.W. (Selected Messages, boky 2, tk. 5, pj. 50)
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.