Download presentation
Presentation is loading. Please wait.
Published byInés Ramírez Sosa Modified over 9 years ago
2
“Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana, dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an- dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.” (Daniela 1:3-4) Tsy maintsy niaina araka ny finoany i Daniela sy ny namany na dia tsy nisy ireo andry lehiben'ny Jodaisma aza tany Babylona: Ny tempoly, ny mpisorona ary ny fanatitra. Voarakitra ao anaty Baiboly ny fijoroana vavolombelon'i Daniela tany amin'io tany vahiny io: Daniela 1:8. “Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany.” Daniela 2:47. “Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra.” Daniela 5:12. “fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy … no hita tao amin'izany Daniela izany.” Daniela 6:5. “nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.”
3
Daniela 2 Nanaiky an'Andriamanitra ho lehibe indrindra noho ny andriamanitra hafa izy. Daniela 3 Nahita an'i Jesosy izy ary nidera an'Andriamanitra teo anatrehan'ny vahoakany. Daniela 4 Farany dia naetry izy ka niova fo. Daniela 5 Mampalahelo fa tsy nanaiky an'Andriamanitra izy.
4
“Nampahafantarina tany amin'ny mpanompo sampy Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo babo ireo. Nomena fahalalana ny amin'ny fanjakana izay haorin'ny Tompo ity firenena mpanompo sampy ity, ary tamin'ny alalan'ny heriny no nihazonana ny hery sy ny tetik'i Satana rehetra. Daniela sy ireo namany mpiara-dia taminy, Ezra sy Nehemia, ary maro hafa dia vavolombelon'Andriamanitra tany amin'ny fahababoany. Naparitaky ny Tompo manerana ny fanjakana eto an-tany izy ireo mba hamiratan'ny fahazavany kokoa eo anivon'ny haizi-kitroky ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana amin'andriamanitra tsy izy. ” E.G.W. (SDA Bible Commentary, boky. 4, momban'ny Daniela 2:47)
5
“Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo- mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.” (Daniela 6:3) Ministra tao amin'ny governemanta teo aloha i Daniela. Ary mbola nohajaina ihany izy tamin'ity fitondrana vaovao ity noho ny fahitsiany sy ny fahatokiany. Nahatoky azy i Dariosy. Fantany fa manana fifandraisana mafy amin'Andriamanitra i Daniela: “Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.” (Daniela 6:16). Ny fijoroana vavolombelon'i Daniela dia nifarana tamin'ny famoahana didim-panjakana toy izao: “mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela”. (Daniela 6:26). Tsy maninona izay toerana misy anao na ny toe- javatra manodidina anao. Miantso anao Andriamanitra ho vavolombelona amin'ny fananana fiainana mahitsy mifandray Aminy.
7
“Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.” (Jeremia 29:7) Navelan'Andriamani tra ho lasa babo ny lehilahy sy vehivavy maro mba hijoro vavolombelona any, na amin'ny fomba mivantana na ankolaka. Izy ireo dia fitahiana na ho an'ny olona na ho an'Andriamanitra na ny firenena izay nonenany. Fantantr'izy ireo fa Hebreo izy. Naneho am- pahibemaso ny faharesen- dahatrany ara- pinoana izy. Narovan'Andria manitra izy sy ny ankohonany. Nijoro vavolombelona teny amin'ny toerana ambony ara- piaraha-monina mba hamonjy ny ainy sy ny an'ny olona hafa. Tsy fantatr'izy ireo fa Hebreo izy. Nohazoniny mangingina ny fivavahany. Narovan'Andria manitra izy sy ny ankohonany. Nijoro vavolombelona teny amin'ny toerana ambony ara- piaraha-monina mba hamonjy ny ainy sy ny an'ny olona hafa. Fantantr'izy ireo fa Hebreo izy. Naneho am- pahibemaso ny faharesen- dahatrany ara- pinoana izy. Narovan'Andria manitra izy sy ny ankohonany. Nijoro vavolombelona teny amin'ny toerana ambony ara- piaraha-monina mba hamonjy ity firenena ity sy ny ankohonany.
8
“Anjara manao ahoana re ny fiainan'ireto Hebreo mendrika ireto! Raha tsy maintsy nanao veloma ny fonenan'ny fahazazany izy ireo, manao ahaona ny hakelin'ny nanofisany anjara ambony ho azy! Nahatoky sady tapa-kevitra izy ireo, ka nanetry tena teo ambanin'ny fitantanana avy any ambony, tamin'izany dia afaka ny nanatanteraka ny fikasany Andriamanitra tamin'ny alalan'izy ireo.” E.G.W. (Education, tk. 7, pj. 57) Aoka hatolontsika ho an'Andriamanitra ny fiainantsika mba ho azony ampiasaina hahatanteraka ny fikasany tsara.
Similar presentations
© 2025 SlidePlayer.com. Inc.
All rights reserved.