Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 5 ho an'ny 31 okotbra, 2015. Hafatra ho an'ny mpisorona sy ny mpaminany (Jeremia 23:14-15; 5:26-31) Ny nasetrin'ny mpisorona izany: nikapoka an'i.

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 5 ho an'ny 31 okotbra, 2015. Hafatra ho an'ny mpisorona sy ny mpaminany (Jeremia 23:14-15; 5:26-31) Ny nasetrin'ny mpisorona izany: nikapoka an'i."— Presentation transcript:

1 Lesona 5 ho an'ny 31 okotbra, 2015

2 Hafatra ho an'ny mpisorona sy ny mpaminany (Jeremia 23:14-15; 5:26-31) Ny nasetrin'ny mpisorona izany: nikapoka an'i Jeremia sy namatotra azy tamin'ny boloky hazo (Jeremia 20:1-6) Ny nasetrin'ny vahoaka izany: namono an'i Jeremia (Jeremia 18:18-23)Ny nasetrin'i Jeremia: “Toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako” (Jer. 20:7-13) “Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako!” (Jer. 20:14-18) Hafatra misy fepetra (Jeremia 18:7-11) Amin'ity herinandro ity isika dia hianatra ireo hafatra noraisin'i Jeremia avy tamin'Andriamanitra, sy ny nasetrin'izany:

3 “Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; koa hanao ahoana re ianareo any amparany?” (Jeremia 5:31) Inona no fahotan'ny mpaminany? (jereo Jeremia 23:14-15) Fijangajangana, lainga ary fihatsaram-belatsihy. Ambonin'ny zavatra rehetra dia “mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy” (Jeremia 23:14) izy; tsy nanameloka ny fahotana izy. Tsy nisy olona nibebaka tamin'ny fahotany noho ny amin'izy ireo. Niparitaka nanenika ny firenena ny faharatsiana. Inona no fahotan'ny vahoaka? (jereo Jeremia 5:26-30) Nihamatavy amin'ny fanaovan-dratsy izy. Maka tombony amin'ny kamboty sy ny malahelo izy. Inona no fahotan'ny mpisorona? (jereo Jeremia 5:31) Tokony ho nampianatra ny lalan'Andriamanitra ny mpisorona. Kanefa dia navelany hitarika azy ireo mpaminany sandoka.

4 “Dia namely an'i Jeremia mpaminany [Pasora] sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.” (Jeremia 20:2) Nantsoina haminany tao anatin'ny tempoly i Jeremia. Hafatra mahatahotra: hatonga “loza amin'ity tanàna ity” (Jer. 19:3) Andriamanitra. Avelany ho “lavon- tsabatra” ny vahoakany ary ny tenany dia ho fihinan'ny “voro-manidina sy ny bibi- dia” (Jer. 19:7). Ataony ho tonga mpihinan'olona ny Jiosy (Jer. 19:9). Ny ankamaroan'ireo hafatra nentin'ny mpaminany ao amin'ny Baiboly dia tsy noraisina am-pifaliana avokoa. Eto dia Pasora mpisorona no namely ny mpitondra hafatra: nokapohiny mafy izy ary nohidiny tamin'ny boloky hazo. Ny ampitson'iny dia nahazo hafatra manokana i Pasora. Izy sy ny sakaizany dia ho lasan-ko babo ary ho faty any Babylona, satria efa nanda ny hafatr'Andriamanitra (Jeremia 20:6).

5 “Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.’” (Jeremia 18:18) “Tamin'ny famitahan-tena dia nino ny vahoaka fa ireo mpisorona sy mpaminany mamim-bahoaka dia nanome azy ireo fampianarana ampy momba ny lalàna, koa dia afaka mitoky amin'izany fampianarana izany izy ireo na dia teo aza ny fampitandremana nentin'i Jeremia ny amin'ny olana lehibe ho avy.” (SDA Bible Commentary, Jeremia 18:18). Ny drafitra noheverin'ny vahoaka entina hamelezana an'i Jeremia dia fikasana hamonoana azy ho faty (Jer. 18:23). Nifanohitra tamin'ny an'ny vahoaka ny fitondran-tenan'i Jeremia. Nanalalana tamin'Andriamanitra ho an'ny vahoaka izy, nangataka ny hamelana ny fahotany (Jeremia 14:7). Tsy hiaro azy ve Andriamanitra?

6 “Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:9) Nitaraina tamin'Andriamanitra i Jeremia ny amin'ireo hafatra feno loza sy fandravana nomena azy, izay nampidi-doza azy. Efa nampitandremana i Jeremia ny amin'izay ho fiatraikan'ny hafatra entiny(Jeremia 1:19). Kanefa dia niampanga an'Andriamanitra ho namitaka azy izy. Nanapa-kevitra ny tsy hitondra hafatra intsony avy amin'Andriamanitra izy. Nefa dia tsy afaka nanohitra ny antson'ny Fanahy Masina izy. Ho amin'ny fiainana na fahafatesana ny hafatra nentiny. Ahoana no hamelany azy ireo ho very nefa tsy homena fampitandremana?

7 “Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!” (Jeremia 20:14) Mbola natoky an'Andriamanitra i Jeremia. Toa an'i Joba dia tsy namela ireo zava-tsarotra nandrendrika azy izy, fa niankina tamin'Andriamanitra. “apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Peter 5:7) Tena sadaikatra i Jeremia. Nidera an'Andriamanitra izy (Jer. 20:13) ary tampoka teo dia nahatsiaro fahakiviana lalina (Jer. 20:14). Ireo olana sy fahalemen'ireo mahery fon'ny finoana ireo dia mampahery antsika hametraka ny fiahiantsika eo amin'Andriamanitra. Afaka mahita fampaherezana eo Aminy isika na dia tsy mahita vahaolana amin'izay manahirana antsika aza.

8 Jeremia 18:7-8 “Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako,” “nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany,” “dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.” Jeremia 18:9-10 “Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko,” “nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko,” “dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.” “Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.” (Jeremia 18:11)

9

10 “Raha antsoina hiaritra fitsapana isika dia maneho izany fa mahita zava-tsarobidy ao amintsika izay tiany hampitomboina ny Tompo Jesosy. Raha tsy mahita na inona na inona ao amintsika izay ahazoana manome voninahitra ny anarany Izy dia tsy handany fotoana hanamboarana antsika. Tsy ny vato tsy misy vidiny no alefany ao anaty fatana fandrendrehana. Ny volamena sarobidy no dioviny. Ataon'ny mpanefy ao anaty afo ny vy mba hahafantarany na manao ahoana na manao ahoana io vy io. Avelan'ny Tompo ho ao amin'ny fatana fandrendrehan'ny fahoriana ieo olom-boafidiny mba hahalalana izay tena toe-panahiny sy ahitana izay hanamboarana azy hanao ny asany.” E.G.W. (TANA-MASOANDRON'NY FAHASALAMANA, tk. 39, pj. 395)


Download ppt "Lesona 5 ho an'ny 31 okotbra, 2015. Hafatra ho an'ny mpisorona sy ny mpaminany (Jeremia 23:14-15; 5:26-31) Ny nasetrin'ny mpisorona izany: nikapoka an'i."

Similar presentations


Ads by Google