Presentation is loading. Please wait.

Presentation is loading. Please wait.

Lesona 9 ho an'ny 29 Aogositra, 2015. “Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy.

Similar presentations


Presentation on theme: "Lesona 9 ho an'ny 29 Aogositra, 2015. “Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy."— Presentation transcript:

1 Lesona 9 ho an'ny 29 Aogositra, 2015

2 “Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra.” (Asa 2:9-11) Folo andro taorian'ny Iraka Lehibe nampanaovin'i Jesosy, dia voatsindrin'ny Fanahy Masina hitory teo anatrehan'ny vahoaka Jiosy izay niely eran'izao tontolo izao i Petera. Tsotra, nazava ary nandresy lahatra ny toritenin'i Petera. Eo an-pahatanterahana ireo faminaniana (Asa 2:16-21). Ny Soratra Masina dia nanambara mialoha ny fiainan'i Jesosy izay natao ho ohatra sy ireo fahagagana nataony. Nitsangana tamin'ny maty Izy ary nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra (Asa 2:22-36). Isaorana ny fahafatesany, voavela ny otantsika amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny batisa (Asa 2:37- 39).

3 “Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana; ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva.” (Asa 10:1-2) Sarotra ho an'ny Jiosy ny hitory amin'ny lehilahy tsy mifora, ka dia niditra an-tsehatra tamin'ny fomba mahatalanjona Andiamanitra. Naniraka anjely Andriamanitra mba ho tonga any amin'ny tokantranon'i Kornelio ny famonjena. Tsy nitory ny Filazantsara tamin'i Kornelio ilay anjely, fa nampifandray azy tamin'ny fiangonana. Irian'Andriamanitra ny hanaparitahantsika ny Filazantsara: tsy izany no iraka ataon'ny anjely.

4 “Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa 10:34-35) Liana te hahafantatra bebe kokoa ny sitrapon'Andriamanitra i Kornelio, ka nankato ilay anjely izy ary naniraka olona hitady an'i Petera any Jopa (50 Km mianatsimo an'i Kaisaria). Nanaiky ny Filazantsara izy, ka nirahin'Andriamanitra ny Fanahy Masina ho amin'ny Jentilisa, io no voalohany. Nanaitra an'i Petera sy ny fisainan'i Jiosy hafa izany. Manana olona tia Azy amin'ny toerana rehetra sy fivavahana rehetra Andriamanitra. Iriany isika hanambara ny vaovao mahafalin'ny famonjena amin'izy ireny. Vonona ny hiankohoka tamin'i Petera i Kornelio (Asa 10:25), izany dia nampibaribary fa nila nahatakatra lalina kokoa ny amin'ny famonjena izy (Asa 11:14).

5 “Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.” (Asa 10:15)  Ny lamba lehibe misy zorony efatra. Ny tany.  Ireo biby manan-tongotra efatra, zava- mandady sy mikisaka ary ny voro- manidina. Mponina tsy Jiosy: ny Jentilisa.  Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. “Fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy [ireo Jentilisa], ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.” (Asa 10:20).  Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. “Nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.” (Asa 10:28) Nomen'Andriamanitra fahitana i Petera mba handrodanana izany fefy ara-kolotsaina izany, koa dia azo notoriana tany amin'ny Jentilisa ny Filazantsara.

6 Hianarantsika avy amin'ity tantara ity fa ny olona tsirairay dia azo ekena eo anatrehan'Andriamanitra, fa tsy mba toy izany kosa ny amin'ny fivavahana. Tsy afaka ny hampitovy an'i Jesosy amin'ny hafa ho “lalana ho amin'ny famonjena” isika. Tokana ihany ny lalana: “Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.” (Jaona 14:6). “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka.” (Asa 17:30) Tsy maintsy mandeha any amin'izay misy ny olona isika. Tsy maintsy manaja ny finoany sy ny fombany isika … Ary tsy maintsy asehotsika azy ireo ny lalana tsara indrindra, Ilay Lalana.

7 “Malotoloto fihetsika ny Jentilisa, indrindra fa ny Grika ka nisy loza nahiana, dia ny hisian'ny tsy niova fo hanambara ny finoany, nefa tsy hiala amin'ny fomba ratsy fanaony. Tsy azon'ny Jiosy kristiana nekena ny fitondrantena tsy mendrika izay tsy noheverin'ny Jentilisa ho heloka akory. Noho izany dia notanan'ny Jiosy ho zava-dehibe sy mety raha atao hitsapana ny fahadiovam-po sy ny fitiavam-bavaky ny Jentilisa niova fo ny fampanekena azy ny famorana sy ny fampitandremana azy ny lalàna mikasika ny fombam- pivavahana. Ninoany fa amin'izany fomba izany dia ho voasakana izay te hiditra ao amin'ny fiangonana, nefa tsy nandalo fiovam-po marina, ka mety hanomezan- tsiny ny anaran'Andriamanitra ary aoriana, noho ny fitondran-tena tsy mendrika sy ny fanao tafahoatra.” E.G.W. (Vavolombelona Mahery, tk..19, )

8 Ireo tsanga-kevitra momban'ny fitandremana ny lalàna Jiosy dia mety ho napetraka tamin'ny fotoana niresahan'i Petera tamin'ny fiangonana tany Jerosalema araka ny Asa 11:1-18. Kanefa, rehefa nanomboka nitory tamin-kafanam-po tany amin'ny Jentilisa i Paoly dia vao maika nihasarotra ny olana. Nasiana ny filan-kevitra mba hifandinihan'ny Fiangonana momba an'io teboka io (Asa 15:1-29 ). “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa.” (Asa 15:28-29) Ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra dia nametraka drafitr'asa iraisana hahafahan'ny kristiana Jiosy sy Jentilisa miaraka am-pirahalahiana. Nametraka ohatra ho an'ny fiangonana izany mba hamaha ireo olana sy adi-hevitra alohan'ny ahatonga azy ho amin'ny fampisarahana.

9 “Satria velona teo amin'ny fankatoavana ny baiko rehetra efa noraisiny i Kôrnelio, dia nalamin'Andriamanitra ny toe-javatra mba handraisany ny fahamarinana bebe kokoa … Betsaka ny olona eto amin'izao tontolo izao misy antsika no akaikin'ny fanjakan'Andriamanitra mihoatra noho ny iheverantsika azy. Manana vatosoa sarobidy maro ny Tompo eto amin'ity izao tontolo izao maizin'ny fahotana ity, ary tarihiny ho amin'ireo ny mpitondra hafatra nalefany. Hatraiza hatraiza dia misy ireo hiandany amin'i Kristy. Betsaka no hankafy ny fahendren'Andriamanitra mihoatra noho ny tombontsoa ara-nofo, ka ho tonga mpitondra fahazavana mahatoky. Teren'i Kristy izy, ka hanery ny hafa koa hanatona Azy.” E.G.W. (Vavolombelona Mahery, tk. 14)


Download ppt "Lesona 9 ho an'ny 29 Aogositra, 2015. “Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy."

Similar presentations


Ads by Google